2 desambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11
Bokin’i Siràka 48, 1-4. 9-11
Nitsangana i Elia Mpaminany hoatra ny afo,
ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.
Niantso mosary hamely an’i Israely izy,
ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.
Nanakatona ny lanitra tamin’ny tenin’ny Tompo izy,
ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.
Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia,
no azonao tamin’ny fahagagana nataonao,
ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?
Ianao nofaohina tamin’ny tadio afo,
sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo:
ianao voatendry ao amin’ny teny mafy an-tsoratra
ho an’ny fotoana ho avy
ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany,
hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka indray,
ary hanangana ny firenen’i Jakôba indray.
Sambatra izay hahita anao,
ka ho voahaingon’ny fitiavana an’Andriamanitra!
Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19
Ry Mpiandry an’i Israely, mandrenesa;
ry mipetraka eo ambony Kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Miverena, ry Andriamanitry ny tafika,
mitsinjova avy eny an-danitra, zahao!
Ilay foto-boaloboka tazano;
mba ahio ny nambolen’ny tananao!
Tananao anie ka homba lalandava
Ilay olona ipetrahan’ny tokinao,
dia ilay zanak’olombelona voafidy,
Ilay nomenao fahefana ombana hery.
Izahay tsy mba handao Anao intsony
fa velominao izay miantso ny Anaranao.
Aleloia. Aleloia.
Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 17, 10-13)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany,
dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe:
“Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”
Ary namaly Izy ka nanao hoe:
“Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia
ka hanavao ny zavatra rehetra.
Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia,
fa tsy fantatry ny olona izy,
ka nanaovany izay sitraky ny fony.
Ary ho tahaka izany koa
no hampijaliany ny Zanak’Olona.”
Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay
fa i Joany Batista no nolazainy taminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 48, 17-19)
Izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao,
Ilay Masin’i Israely:
Izaho Tompo, Andriamanitrao,
mampianatra anao, mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao Aho.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao:
ho tahaka ny fasika ny taranakao;
ho tahaka ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao;
tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota, na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý?
Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja
izay miantso ny namany, ka manao hoe:
Nitsoka sodina taminareo izahay,
nefa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay,
nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro,
nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy.
Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro,
lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io,
sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina
mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra.
Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 41, 13-20)
Izaho no Tompo Andriamanitrao
mitantana anao amin’ny tanana an-kavanana,
milaza aminao hoe:
“Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.”
Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba,
ry olom-bitsy sisa tamin’i Israely!
fa Izaho no tonga mamonjy anao — teny marin’ny Tompo —
ary Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao,
sady vao no marani-daniroa,
hodiovinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao,
ary hampanjarianao akofa ny havoana.
Hokororohinao izy,
ka hopaohin’ny rivotra sy haelin’ny ranonoram-baratra.
Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’ny Tompo,
ary Ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Ireo ory sy mahantra,
izay mitady rano fa tsy mahita,
ka mainan’ny hetaheta ny lelany,
dia Izaho Tompo no hihaino azy.
Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
Hampiboiboika renirano,
eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho,
ary loharano eo afovoan’ny lohasaha:
hovako ho farihy ny efitra,
ary ho loharano miboiboika ny tany karankaina.
Ny efitra hampaniriako sedera, akasià, mirta sy ôliva;
hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo
ny sipresa, platana, ary boisy.
Mba ho hitany sy ho fantany
ary hodinihiny sy hiarahany mahalala,
fa ny tanan’ny Tompo no nanao izany,
ary Ilay Masin’i Israely no nahary izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 1 sy 9. 10-11. 12-13ab
Manandratra Anao aho, ry Andriamanitra Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry ilay Mandrakizay!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy
mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy.
Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý
dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra,
ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna
dia naminany hatramin’i Joany,
ary raha mety mino ianareo
dia izy no ilay Elia ho avy.
Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco