Misy fepetra maro tsy maintsy hajaina ny litorjia : voalohany ny toerana toy ny fiangonana, chapelle, na toerana hafa ankatoavin'ny manam-pahefana eo anivon'ny Eglizy, toerana voaomana tsara, tony, madio ary mendrika ; faharoa ny ora toy ny hoe vavaka maraina, hariva, ny haeloan'andron'ny Paka ; fahatelo ny andro toy ny hoe vavaka isanandro na ny alahady, misy koa ny andro voadidy hohamasinina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

30 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelopo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

♦ Nampahafantarina androany tamin'ny alalan'ny atrikasa ny tombana fanadihadiana momba ny sakafo, ho an'ny taona 2016—2022. Nivoitra fa mibahana kokoa amin'ny prôtida sy ny lipida sakafon'ny Malagasy ny avy amin'ny zavamaniry... ♦ Handaha-teny amin'ny fihaonana iraisam-pirenena, hatao any Colombie, momba ny fiarovana ny karazan-java-manana aina, ny Minisitra Malagasy, Andonirina Max Fontaine... ♦ Miverina indray ny asan-dahalo ao amin'ny tapany andrefan'ny Distrikan'i Betroka. Manampy trotraka ny olan'ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana sasany...

Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...