Ny fahitsiana dia ilaina amin'ny fanavaozana ny firenena : fizaràna vaovao, fampahafantarana ny vola nisy nanodikodina, miaina anaty firaisan-kina. Singa miavaka anaty fanavaozana ny  fahafahana maneho hevitra, ny fahafahana manaparika hevitra noho izany dia tsy voatery ho rafitra fotsiny no atao hoe fanavaozana. Ny fanavaozana dia miainga amin'ny tsirairay, ilàna fahitsiana ny fandraisana andraikitra. Kihon-dalana lehibe ny misy maneran-tany noho ny ady any Moyen-Orient, manova fo, toe-javatra ny vavaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanazava ny antony nandraisana ny Didim-panjakàna hametrahana ny hamehana ara-angovo eto Madagasikara ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo... ♦ Tahirim-bola Iraisam-pirenena : Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy ny FRD, ireo iraka, ankehitriny... ♦ PNUD - Madagasikara : nanolotra fitaovana momba ny "informatique" mba hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna eto Madagasikara... ♦ Tafakatra 254 ireo olona maty, ary 837 no naratra vokatry ny fanafihan'i Israely tany Beyrouth renivohitra Libanais, omaly alarobia...

Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

♦ Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy FRD ny iraky ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena ankehitriny... ♦ Nisitraka fampitaovana momba ny "informatique" avy amin'ny PNUD entina hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna i Madagasikara... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fanaovana vaksiny Mpox eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, mbola latsaky ny 10.000 isa no vita vaksiny, ankehitriny... ♦ Fandresena tanteraka ho an'i Etazonia ny fampitsaharana ny ady any Moyen-Orient, mandritra ny 2 herinandro...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...