Misongadina ny anjara toeran'i Masina Maria sy ny fiaraha-miaina tamin'ilay teny tonga nofo, tonga ho olombelona. Neken'ny Papa François ny fankalazana isaky ny alatsinainin'ny pentekôty an'i Masina Maria renin'ny Eglizy. I Masina Maria sy ny fanantenana no tena foto-dresaka amin'izao taonjôbily izao. Nifidy hampandray anjara antsika olombelona amin'ny asa-pamonjena Andriamanitra ary isan'izany i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...
♦ Hiakatra Fitsaràna anio ao Toliara raha tsy misy fiovana ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny sy ireo olona 5 hafa niara-voasambotra taminy, efa naovotsotra ireo mpanao gazety roa taorian'ny fanadihadiana natao azy... ♦ Voasoroka avokoa ny olana nahina tamin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea teknika noho ny fiaraha-mientan'ny mpiasa rehetra hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'asa... ♦ Ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo : Ôfisialy ny fidiran'i Madagasikara anatin'ilay vondrona misehatra amin'ny tontolon'ny angovo azo havaozina (SACREEE)...
♦ Voasambotra ireo olona miisa roa namoahana filazàna fikarohana mikasika ilay raharaha fiaramanidina miisa dimy tonga tany Iran... ♦ Manahy ny O.S.C.I.E fiaraha-monim-pirenena misehatra amin'ny harena ankibon'ny tany fa hataon'ny Fanjakàna antsokosoko ny fanavaozana ny lalàna L.G.I.M, Lalàna mifehy ny fampiasam-bola vaventy eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany... ♦ Misy manararaotra resaka politika avokoa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Nanentana ny tanora rehetra ho vavolombelon'ny Fiadanan'i Kristy ny Papa Léon-XIV...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco