28 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)
Ny teknôlôjia dia misy lafiny tsara ho an'ny fanabeazana. Porofon'izany ny fananan'i Madagasikara, ankizivavy miisa telo solontena amin'ny fanehoana tanteta maneran-tany, mikasika ny fikirakirana teknôlôjia. Misy fifandraisany amin'ny zon'ny ankizy anefa ireny fahombiazana ireny. Misy 10isa ny zo fototra ho an'ny ankizy : zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, zo hotsaboina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco