54 taona aty aoriana, toy ny taranaka roa mifandimby, 13 mey 1972 : fotoana nampiharihary ny tsy fifampitokisana teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka; hetsika nanome sy nametraka kianja ho an'ny fanehoan-kevitra dia ny kianja eo Analakely. Teny filamatra miisa telo no afahana manorina fiaraha-miasa sy fiaraha-monina tsy misy raorao: Fifampitokisana, Fahamarinana, Fitiavana. Mba ho fiarovana ny taranaka sy ho arofanina amin'ny rivotry ny "Saina voatran'olombelona" dia ilana ny fanokanana fotoana hifampiresahana mivantana ao an-tokantrano, fiarahana mialavoly... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

• Tsy tanteraka ny fitakiana tamin'ny 1972, ary vao mainka miharatsy ny fitantanana ny firenena, hoy ny fikambanana “ Hetsika Mai 72”, raha nanatitra fehezam-boninkazo teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey izy ireo androany... • Nihazo avy hatrany ny Repoblikan'i Congo androany, ny Filohan'ny Fanavaozana, Colonel Randrianirina Michaël mivady, taorian'ny fiatrehana ny Fihaonana an-tampony Afrikana, natao tany Nairobi Kenya... • Tsapa sy heno ny antsoantson'ny mponina amin'ny toerana sasany, momba ny olan'ny famatsian-drano amin'izao, hoy ny Minisitry ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana. Maro ny ezaka efa natao, sy mbola hatao amin'ireo tetikasa samihafa momba izay famatsiana rano izay...

♦ Fikaonan-doha mazava sy mahomby no ilaina, olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontson'izy ireo no hantsoina hoy ny hafatra avy amin'ny fivondronaémben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Vahaolana lavitr'ezaka hamahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny Ampasika kaominina Bemasoandro Itaosy, ny fanamboarana tetezana eny Ambohitrimanjaka sy Makis mivoaka eny amin'ny Fiombonana sy Ambohidrapeto... ♦ Fikambanan'ny mpivarotra etsy Vavafolo Tsarasaotra : Hametraka fitoriana eny anivon'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly (Pac) mahakasika ny Ben'ny tanàna CR Ambatolampy Tsimahafotsy... 

♦ Miantso ny Malagasy mba handray an-tanana ny fiainany ka tsy hampandefitra ny marina sy ny fihavanana ny hafatra avy amin'ny Fivoriamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hanatitra fehezam-boninkazo fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny hetsika Mey 1972, eny Analakely anio, ny Fikambanana Mai-72... ♦ Niharan'ny fisavana nataon'ny mpitandron'ny filaminana alina ny haino aman-jery VIVA Madagasikara, haino aman-jery izay an'ny filoha teo aloha Rajoelina Andry...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...