♦ Tafiditra ao anatin'ireo olona voarohirohy amin'ny fifofoana ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Tale jeneraly teo aloha eo anivon'ny FSM. Vola tao amin'ny FSM no nahodikodina saika hanonganam-panjakàna hoy ny ministry ny fitsarana Fanirisoa Erinaivo... ♦ Maherin'ny iray tapitrisa ny mponin'Antananarivo hisitraka mivantana ny tetik'asa PIAA andiany-II. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny Mahamasina ity tetik'asa PIAA ity ary haharitra 2 taona... ♦ Tandindonin-doza noho ny tsy fahanjarian-tsakafo ireo Kaominina 32 anatin'ny Distrika 5 any amin'ny Faritra Atsimon'ny nosy ankehitriny. Tsy mbla nisy aloha ny aina nafoy, hoy ny BNGRC...

Voalazan'ny Baiboly fa nataon'Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, ary nataony lahy sy vavy ; saika mifanaraka mandrakariva ny hevitry ny mpino sy ny tsy mpino momba ity zavatra ity ka "Ny olombelona no toy ny foibe sy filohan'ny zavatra rehetra. Olo-marina no naharian'Andriamanitra ny olombelona nefa voasodokan'ilay Ratsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny fitoniana dia singa fototra amin'ny fomba fanapahan-kevitra. Amin'n alalan'ny famakafakàna, ny fanadihadiana, ny fikarohana sy fampiasàna vaovao azo antoka dia mahatsara ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra, indrindra anaty fitoniana. Ny fanapahan-kevitra voalanjalanja dia azoana antoka hanatsarana ny fiainana ary hanorenana ho avy maharitra sy mirindra. Ny safidy voalanjalanja dia afahana miatrika ny fanamby misy atrehin'ny tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Voatonona ho isan'ireo mifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy. Olona 11 tamin'ireo 13 nentina teo anivon'ny Fampanoavana ary natolotra ny mpitsara mpanao famontorana koa no efa nampidirina am-ponja noho ity raharaha ity... ♦ Nahazo fe-potoana telo volana amboniny hahafahana mandoa hetra indray ireo mpisehatra amin'ny asa fitanterana. Manana hatramin'ny 30 jona izy ireo raha tokony efa nifarana ny 31 marsa teo izany... ♦ Fankalazana ny Paka : Miomana ireo mpitandro ny filaminana ao anatin'izao fety izao... ♦ Mbola samy miziriziry amin'ny heviny ary manohy ny fifanafihana Etazonia, Israely ary Iran...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...