Ny ahiahy dia miteraka alahelo sy tebiteby eo amin'ny olona tsirairay, fikorontanana ara-tsaina sy ara-tsôsialy, fahasahiranana amin'ny fanapahan-kevitra marina eo amin'ny fiainana andavanandro, sy amin'ny fananganana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fiadanana. Ireo ahiahy ireo dia vokatry ny faniriana sy hetahetam-paniriana tsy voahevitra tsara raha tsy ampiarahina amin'ny soatoavina kristiana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Tontosa teny amin'ny EKAR Antanimena androany maraina, ny Sorona Masina fanamasinana ireo diloilo fampiasan'ny Eglizy amin'ny fanomezana Sakramenta, sy ny fanavaozana ny tokim-panompoan'ny pretra... • Noraisina ofisialy androany, teny amin'ny toby Jeneraly Monibou Ismaël, Bataillon Parachustiste Iravto, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika ho an'i Madagasikara, avy amin'ny fitondrana Rosiana... • Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny didy fampiharana ny fampiakarana ny karama farany ambany, ho an'ity taona 2026 ity, ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy...
♦ Tsy maintsy faritana amin'ny alalan'ny didim-panjakàna ny fisitrahana tambin-karama sy tombontsoa ara-bola ho an'ny mpiasam-panjakàna rehetra hoy ny fampatsiahivana nataon'ny Fitsaràna momba ny kaonty... ♦ Nifarana ôfisialy omaly talata faran'ny volana marsa ny fitantanan'ny Ben'ny Tanàna teo aloha Harilala Ramanantsoa ny Kaominina Antananarivo-renivohitra... ♦ Niampy iray ny olona lavon'ny valan'aretina Mpox teto Madagasikara, lehilahy lehibe iray avy any Ambanja Faritra Diana io tsy natohitra ny aretina io ka lasa roa izany ireo maty hatramin'ny fotoana nisian'ny valan'aretina... ♦ Natokan'ny Papa Léon-XIV ho an'ny pretra mandalo fotoan-tsarotra ny vavaka volana avrily...
Ny fanabeazana dia miainga amin'ireo ray aman-dreny, mpanabe tompon'ny fahalalana, fahendrena ary ny fahamarinana. Ny olombelona dia efa manana ny maha izy azy, vatana, fo, saina ary fanahy, etsy ankilany anefa ny adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny mampivelatra kokoa ireo singa samihafa ireo. Ny haino aman-jery dia manana anjara biriky goavana amin'ny lafiny fanabeazana ; anefa ilaina ny fandraisan'andraikitry ny ray aman-dreny noho ny fahasamihafana sy fihamaroan'ny fomba fanabeazana misy, indrindra manoloana ny fandrosoan'ny teknôlojia ankehitriny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco