Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 13-25)

Avy amin’ny taranak’i Davida no nomoahan’Andriamanitra an’i Jesoa Mpamonjy.

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany,
ka tonga tany Perjy any Panfilia;
ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany,
ka lasa niverina tany Jerosalema.
Fa izy ireo kosa niala tany Perjy,
dia tonga tany Antiôkia any Pisidia,
ary niditra tao amin’ny sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany,
dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagôga nanao hoe:

“Ry Rahalahy,
ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.”

Dia nitsangana i Paoly,
nanofa tanana azy hangina ka nanao hoe:

“Mihainoa, ry Israelita,
sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.
Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao
no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka
fony izy nitoetra tany Ejipta;
ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.
Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,
ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaana Izy
dia nanome ny faritanin’ireny ho fananany,
tokony ho dimampolo sy efajato taona.
Taorian’izay,
dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoela mpaminany.
Nony afaka izany,
dia nangataka mpanjaka izy ireo,
ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy,
lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina,
naharitra efapolo taona.
Nony nesoriny kosa indray i Saoly,
i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo,
dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:
Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitra-poko rehetra.
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:
Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 21-22. 25 sy 27

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny fahamarinana sy hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony;
na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
Raha fantatrareo izany,
dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidìko);
fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
Izay miara-mihinana mofo amiko
no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany,
mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 24 — 13, 5a)

Atokàny ho Ahy i Saoly sy i Barnabe.

Tamin’izany andro izany, dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo,
ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema,
dia niverina tany Antiôkia izy,
ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra:
dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe i Mainty,
i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo
dia hoy ny Fanahy Masina taminy:

“Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe,
mba hanao ny asa izay niantsoako azy.”

Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo
dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe
ka lasa nankany Seleosia,
mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.
Nony tonga tany Salamina izy,
dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao anie ny vahoaka, ry Andriamanitra; hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony.
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)

Tonga amin’izao tontolo izao Aho ho fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe:

“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany,
fa izay naniraka Ahy;
ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho,
mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy,
dia tsy mitsara azy Aho;
satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako
fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko,
misy izay hitsara azy:
dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
satria tsy niteny ho Ahy Aho,
fa ny Ray izay naniraka Ahy
no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.
Koa ny zavatra lazaiko àry,
dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 15-17. 20-26)

I Matiasy no nahazo ny loka ka izy no lany ho anisan’ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy.

Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy i Piera
(tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:

“Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida
momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.
Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan’olona akory;
ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika
tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,
hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra,
dia aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.”

Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy,
dia i Jôsefa atao hoe i Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy,
ka nivavaka nanao hoe:

“Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,
ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao,
izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.”

Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka,
ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8

Ny Tompo mampiray toerana azy amin’ny andriandahin’ny vahoakany.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran'ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amy Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miandroka Izy mijery,
na lanitra izany na tany.

Alàny amy fako ny ory.
Esoriny avy eo ny mahantra.
Apetrany anilan’andriana,
andriana izay fanta-bahoaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa hantsoiko hoe sakaiza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 19-26)

Niteny tamin’ny Grika izy ireo nitory an’i Jesoa Kristy.

Tamin’izany andro izany,
izay naelin’ny fanenjehana noho ny amin’i Etiena,
dia tonga hatrany Fenisia, sy Sipra, ary Antiôkia,
nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin’ny Jody ihany.
Ny sasany tamin’izy ireo anefa, izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena,
dia mba nisy niteny tamin’ny Grika ihany nony tonga tao Antiôkia,
nitory an’i Jesoa Tompo.
Nombàn’ny tanan’ny Tompo izy ireo,
ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo.
Nandre ny lazan’izany ny Eglizy tao Jerosalema,
ka naniraka an’i Barnabe hankany Antiôkia.
Nony tonga tany izy, ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra,
dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.
Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana,
ka vahoaka betsaka no nikambana tamin’ny Tompo.
Dia lasa nankany Tarsy i Barnabe hitady an’i Saoly;
ary nony efa hitany izy, dia nentiny hankany Antiôkia.
Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io,
ary vahoaka betsaka no nampianariny.
Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra.

Ry Siôna, ry Siôna ô,
eny an-tendrombohitra masina
no naorin’ny Tompo ianao,
ilay Tompo tsy mahafoy anao.
Ny fonenan’i Jakôba:
maromaro ihany izy ireny,
fa ianao no andrian’ny fony,
tiany mihoatra ny sisa rehetra.

Ry tanànan’Izy Tompo!
Andriamanitrao mitantara
zava-maro malaza tokoa.
’Zao no teny anandratany anao!
I Rahaba sy i Babela:
mahafantatra Ahy izy ireo.
Ary i Tira sy i Filistia,
ary i Etiôpia sy ny hafa.

’Zao no ambara momba an’ireo:
izy, hono, teraka tao!
I Siôna tsy tahaka izany.
Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna,
manamafy orina anao!
Hosoratany anatin’ny boky
ny vahoaka fa teraka tao.
Ny andriana eran-tany,
toy ny Zanakao tsisy hafa!
Izy ireo samy faly milaza:
fa Ianao loharano niaviany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)

Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,
ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.
Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe:

“Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay?
Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.”

Dia hoy i Jesoa namaly azy:

“Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo;
manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko;
fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.
Ny ondriko mihaino ny feoko.
Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy;
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana, na oviana
ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Izay nomen’ny Ray Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao,
ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...