♦ Mikasa ny hamory ireo mpiara-dia aminy eny amin'ny Magro Tanjombato indray rahampitso ny Vovonana Firaisankina. Volaza ho anton'izany ny fandavana ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Ravalomanana Marc... ♦ Nitrangana fanendahana androany vao maraina teny akaikin'ny sekoly iray eny Andohatapenaka. Lasibatra tamin'izany ny mpivarotra iray eny amin'ny 67Ha... ♦ Isan'ireo horonan-tsary hahazo laka ao amin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny horonan-tsary atao ao Lusaka manomboka androany, ny sangan'asan'i Ary-Misa Rakotobe...
Tompon'andraikitra ny tsirairay mba tsy hanao kolikoly amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Samy tompon'andraikitra amin'ny izay mety ho kolikoly ny mpanome sy ny mpandray. Ny kolikoly dia fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindry azo lena ny fiaraha-monina ; fanomezana tombontsoa olona manokana... Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Antony iray mampihisatra ny fikarakarana ny taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana ho Ben'ny Tanànana ny fahatapahan-jiro eny amin'ny biraom-panjakana. Voatery miverina amin'ny andro hafa ireo tsy mahandry ny fiverenan'ny jiro... ♦ Misy ny kolikoly eo anivon'ny orinasa JIRAMA, manoloana ny fividianana fitaovana fampidiran-drano, raha ny tatitra voarain'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Ambany ny tahan'ny fitiliana ny tsimokaretina VIH-Sida eto Madagasikara. Nampiseho fihetsika modely amin'izany fitiliana izany ny mpanao gazety...
Vavaka ho an'ny lehilahy amin'ny fo. Izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy mivavaka mafy. Azo lazaina fa ao anatin’ny toe-tsaina feno fankahalana dia tsy afaka mivavaka; ao anatin’ny toe-tsaina tsy miraharaha ny olona iray dia tsy afaka mivavaka. Izay mahatsapa ny alahelo na ny hafalian'ny hafa dia lasa mahalala kokoa noho izay manadihady lalina kokoa. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco