Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mametraka laharana maitso hifandraisana amin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ny 11 desambra ho avy izao ny eo anivon'ny CENI. Maromaro amin'ny kandidà no mitaraina amin'ny fikarakarana antontan-taratasy... ♦ Hitondra fampandrosoana ara-toerkarena eto Madagasikara ny fisian'ny sidina mampitohy an'i Dubaï amin'Antananarivo hoy ny filoham-pirenena. Nigadona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tolakandro ny fiaramanidina Boeing 777 misahana izany sidina izany... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny fitsaràna ny mpiasan'ny orinasa iray eny Anosizato nanao fitokonana nandritra ny andro maromaro...
Nanamafy ny fiombonam-pon'ireo kristiana teo am-piandohana ny fiombonam-bavaka nananan'izy ireo. Nampahomby ny asa-pitoriana Evanjely ny fiombonam-bavaka. Misy maro ny toetra maneho ny maha-izy azy ny Fiangonana ka isan'ireo ny vavaka, eo ihany koa ny fampianaran'ireo Apôstôly, ny fiombonan'aina ary fizarana ny mofo. Tsy sasatra ny nihaino ny fampianaran'ny Apôstôly ny Kristiana. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
4 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco