♦ Manahy ny hisian'ny olana ara-toekarena ateraky ny fanovana ny sora-bola 20.000Ariary ho 1.000Ariary ny mpahay toe-karena Jean Jacques Ratsietison. Tsy voadinika lalina ny momba azy io fanovana io... ♦ Nampiaka-peo ny Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra sy ny tranoben'ny tantsaha fa maty antoka tanteraka ny tantsaha amin'ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Nanamafy izany koa ny sendikan'ny tantsaha mpamboly vary... ♦ Nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny alalan'ny didy navoakany androany ny fanalàna ireo solombavambahoaka miisa 5, tsy ho sombavambahoaka intsony...
♦ Hampahafantarina rahampitso ireo minitra handrafitra ny governemanta vaovao. Namoaka fampitam-baovao momba izany ny maraina teo ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Mitaky ny hanafainganana ny fifidianana amin'ireo Kaominina 24 tsy manana ben'ny tanàna ny Kmf/Cnoe. Tsy tokony hiandry aorian'ny fifidianana amin'ny volana ôktobra 2027 izany, hoy izy ireo... ♦ Teratany vahiny 83 isa no nosamborin'ny Pôlisim-pirenena teny Ambatomirahavavy. Nahitàna ordinatera 170 mampiahiahy ny orinasa niasàn'izy ireo, taorian'ny fisavàna...
Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...
♦ Mitaky ny hanokafana fanadihadiana ny vovonana Psom, taorian'ny fiparitahan'ilay horonan-tsary misy an'i Raissa Razaivola. Nametraka fitoriana teny amin'ny Foiben'ny PAC, teny amin'ny 67ha, izy ireo, omaly... ♦ Mahatsiaro tena voahilika tanteraka amin'izao fitondrana fanavaozana izao ny antoko RTM, tarihin'i Dadafara. Nambarany fa tsy olona nitolona ny ankamaroan'ireo tonga eo an-dapa... ♦ Nahitàna vary ahiana efa simba 6.000 gony tamina toeram-pitehirizan'entana iray eny Tanjombato, izay ana mpandraharaha karana. Nokasaina amidy eny an-tsena ireo vary ireo no tra-tehaka... ♦ Mitady fifampidinihana amin'i Iran ny filoha amerikana manoloana ny ady any Moyen-Orient...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco