♦Asa andrasana amin'ny governemanta vaovao hijoro eo ny famaritana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsain'ny tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay izao ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Tanterahana eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina hatramin'ny sabotsy izao ny foaran'ny FROMAZY avy eto an'ivon-tany. Mpandray anjara 20 mahery no mampiranty ny vokany, izay hita fa efa mahafolaka ary mahafehy ny fenitra misy... ♦ Nifanakalo babo an'ady i Rosia sy Ukraine ; miisa 95 avy ireo voafonja nifanakalozan'ny andaniny sy ny ankilany...

Ny teny mivoaka ny vavan'i Môizy matetika amin'ny vavaka ataony dia ny hoe "nahoana, nahoana no izaho no irahanao, nahoana no te hamoaka io vahoaka io ianao. Misy andalana manome tsiny an'i Môizy mihitsy noho ny tsy fahampian'ny fitokisany an'Andriamanitra, izany hoe ny fisalasalana tao aminy. Raha tojo fangatsiaha-po na fisalasalana isika indraindray dia tsy tokony hanary toky... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

18 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

♦ Asa andrasana amin'ny Governemanta vaovao hijoro eo, ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsain'ny Tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay 2024, ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Hanamafy ny fiarovana ny Zandarimariam-pirenena mandrita ny fotoam-pialantsasatra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...