Eo amin’ny olombelona, ny sela tsirairay dia manana chromosomes 46 voarindra ho 23 mandeha tsiroaroa mivady. Ny 22 amin’ireo 23 ireo dia iraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny faha-23 farany dia mamaritra ny toetra maha-lehilahy XY, ary maha-vehivavy XX. Raha vao misy tsy araka ny tokony ho izy ireo chromosomes 23 ireo dia misy vokadratsy lehibe eo amin’ilay olona isehoan’izany. Ohatra ny fahadisoana teo amin’ny chromosome faha-21, izay tokony ho tsiroaroa dia lasa telo. Io no antsoina hoe : trisomie 21... Maro ny tsy fahasalamana tokony ho fantatra momba ireo olona voakasiky ny trisomie mba afahana miahy azy ireny. Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hampiasana fitaovana manokana ny fifantenana ireo ministra handrafitra ny governemanta vaovao, ho fantatra amin’ny herinandro izao izany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara, androany… ♦ Fahadisoan-kevitra ny an’ireo firaisamonim-pirenena mitaky ny handravana ny Ceni, na ny tsy hanoloana intsony ny mpikambana maharitra ao hoy ny KMF/Cnoe ; mitsipaka izany hevitra izany ity kômity mpanara-maso ny fifidianana ity… ♦ Nahatratra 3.811 Miliara Ariary ny volam-panjakàna very noho ny famoaham-bola tsy ara-dalana tamin’ny taona 2025, nanao tatitra ampahibemaso momba izany, androany, ny Fitsaràna momba ny kaonty...
♦ Mitohy ny fizaràna fanampiana ataon'ny Mgr Desiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina. Nahazo ny anjarany ny tao amin'ny tanànan'i Mahasoa, omaly... ♦ Hifaràna anio eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo ny hetsika fanabeazana ara-bola ho an'ny tanora karakarain'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Isan'ny mandray anjara ireo fikambanana mampiasa ny ombona tahiry ifampisamborana GVEG... ♦ Fananganana ny governemanta vaovao, samy manolotra ny heviny ny mpanao politika. Ho an'ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha Andry Vorisoa, governemanta ahitana solontena isam-paritra no tokony hajoro...
Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco