• Sambany indray nilatsaka ny orana teto Antananarivo omaly hariva, rehefa ela no niandrasana azy. Orana artifisialy iny nirotsaka iny, hoy ny fampitam-baovaon'ny Jirama...
  • 20 taona izao no nanamarihan'ny Saleziana Don Bosco ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy. Sekoly 13 no niara-nankalaza izany tetsy amin'ny Oratorio Ivato...
  • Misy fiaramanidina 17 efa tsy miasa intsony ankehitriny no mbola miantsona etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Manome 15 andro ny tompony hanalàna azy ireo ny ACM
  • Manasa ny Praiministra Israeliana hitsidika any Hongrie ny filoha Hongrois...

  • 20 taona nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy, ny sekoly tantanan'ny Saleziana Don Bosco, Oratorio Ivato. Sekoly miisa 13 no niaraka nankalaza izany androany...
  • Tontosa androany teny amin'ny FIGN Fort Duchesne, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin'ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitran'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Isan'ny asa miandry ny Ben'ny Tanàna ho avy eo ny hijery manokana ny trano tokony hipetrahan'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasa...

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...

Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...