Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 2, 8-15)
Ry malala,
tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida,
dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torìko,
izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza;
ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.
Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy,
mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa,
mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
Teny mahatoky tokoa izao:
raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy;
raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;
raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana,
fa tsy mahazo mandà ny tenany.
Ampahatsiarovy ny olona izany,
ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana,
satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra,
sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsara fo sy mahitsy ny Tompo.
Ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.
Ny lalan’ny Tompo rehetra hatsaram-po sy fahamarinana
amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny.
Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy;
ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe:
“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý:
Mihainoa, ry Israely:
ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary itý no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:
“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra
ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.”
Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:
“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”
Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misy amin'ireo sekolim-panjakàna hatao biraom-pifidianana no mbola ianaran'ny mpianatra anio... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana hataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy mandritra ny androm-pifidianana rahampitso. Pôlisy maherin'ny 28.000 no hahetsika, hisahana izany... ♦ Efa nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any amin'ny Faritr'i Diana. 45.000 Ariary ny hividianan'ireo orinasa mpividy ny isan-kilao, miampy prime BIO 16.250 Ariary... ♦ Mitohy hatrany ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any Rafah, atsimon'ny faritr'i Gaza. Olona 40 isa eo no namoy ny ainy, vokatr'izany omaly, 249 isa hafa naratra...
Fiandohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 1, 1-3. 6-12)
I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,
mamangy an’i Timôte, zanako malala:
ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Kristy Jesoa Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko amin’ny saina madio aho,
araka ny nataon’ny razako;
ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.
Noho izany,
mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao,
izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika,
fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika
sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy,
fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely,
miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,
tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika
tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,
sy naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika,
Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.
Izany Evanjely izany, no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny jentily;
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao;
tsy menatra amin’izany anefa aho,
fa fantatro izay ninoako ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko
mandra-piavin’izay andro izay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 122, 1-2a. 2bde
Ry Tompoko, Ianao izay mitoetra any ambony!
Ny masoko miandra mibanjina Anao.
Sahala amin’ny mason’ireo mpanompo,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
Sahala amy mason’ny mpanompovavy,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
Iantrao re izahay Andriamanitra Tompo,
fa vokin’ny eso, efa tofoka loatra!
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny
mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pier. 3, 12-15a. 17-18)
Ry kristianina havana, eo am-piandrasana izaitsizy ny hiavian’ny Tompo ianareo,
ny Tompo izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra.
Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo.
Minoa fa ny haelan’ny fandeferan’ny Tompontsika dia ho an’ny famonjena anareo.
Izao àry, ry kristianina havana, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo,
koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy,
ka hiala amin’izay niorenanareo.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.
Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 89, 2. 3-4. 10. 14 sy 16
Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry.
Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao...
Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa
’Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.
Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Fitopolo taona monja no anjara fiainanay;
valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay.
Fahoriana sy toloko anefa ny isan’izy ireny,
fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay,
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao,
ka hamiratra am’ireo taranakay ny herinao.
Aleloia. Aleloia,
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”
Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza io?” —
Hoy iretsy hoe:
“An’i Sezara.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”
Dia nigagan’izy ireo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco