♦ Nodisoin'ny Ministry ny Fitsaràna ny filazàna fa tsy afaka nitsabo tena, tany amin'ny Fonja nitazonana azy Ramatoa Rinah Rakotomanga. Nanazava ny momba izay sy ny raharaha Naivo Raholdina ihany koa Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, omaly... ♦ Nametra-pialàna omaly ny ben'ny tanànan'ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra, noho ny ambarany fa fikatsahana fitoniana... ♦ Hisy ny fanomezana laharana tokana famantarana ho an'ny mpianatra anatin'ny tetik'asa Prodigy. Mpianatra maherin'ny 4.000.000 no voasoratra hatramin'ny faran'ny volana jona 2026...
♦ Natomboka ôfisialy androany tany amin'ny CEG Ambodifarihy Ambatolampy ny tetik'asa hisitrahan'ireo mpianatra ny laharana Tokana Famantarana ny Mpianatra (N.U.I.S)... ♦ Nametra-pialana androany noho ny ambarany ho fikatsahana fitoniana ny ben'ny tanàna an'ny Kaominina Antsirabe ambonivohitra, Docteur Unoh... ♦ Afaka nisitraka ny zony tamin'ny fanaraha-maso ny fahasalamany i Rinah Rakomanga ary henjehina noho ny fangalaran-tany kosa i Naivo Raholdina hoy ny Ministry ny Fitsaràna, androany... ♦ Tsy mbola hita taratra hatramin'izao ny ho fiafaran'ny ady any Soudan, izay efa ho 4taona...
♦ Hiandrasana fiaraha-miasa mandritra ilay fivoriambe "Africa Forwoard" atao any Naïrobi Kenya manomboka androany ary hitohy rahampitso ny fanamboarana ireo foto-drafitr'asa stratejika eto Madagasikara... ♦ Nilanja sora-baventy niazo ny lapan'ny tanàna Analakely manohitra ny famindra-toerana azy, ireo mpivarotra amoron-dàlana eo amin'ny Petite-Vitesse... ♦ Hirosoana ny fanamboaran-dàlana ao Tsiroanomandidy mivoaka an'i Maintirano hoy ny Lehiben'ny Faritr'i Bongolava mpisolo toerana... ♦ Nanentana ny rehetra tsy hitazam-potsiny ireo karazana fijaliana iainan'izao tontolo izao ny Cardinal Pietro Parolin...
♦ Nahavita fakan-kevitra ho enti-miatrika ny fikaonan-doham-pirenena ary hatolotra ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika natao ny faran'ny herinandro teo teto Antananarivo ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika (IFR)... ♦ Hatsangana amin'ity alatsinainy faha-11 mey 2026 ity, ny kômity hisahana ny fanatsaràna ny toby fiantsonana eny amin'ny fasan-karana... ♦ Fitrandrahana antsokosoko hazo sarobidy : Olona miisa 20 tra-tehaka tao anatin'ny alan'i Ampatakamaroreny-Mandritsara niaraka tamin'ny voamboana miisa 50 sy tracteurs miisa 2... ♦ Nandray ny toerana maha Praiministra an'i Hongrie azy Andriamatoa Peter Magyar...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco