♦ Handray ny asany amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny filoham-panjakàna ny kôlônely Randrianirina Michaël. Hianiana eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenena rahampitso, izy... ♦ Miantso ny vondrona afrikana, ny SADEC ary ny COI handefa iraka hanadihady ny zava-misy marina eto amin'ny firenena ny filan-kevi-pilaminana sy fandriampahalemana ao amin'ny vondrona afrikana... ♦ Andriamatoa Andrianasoloniaiko Siteny no lany filoha vaovaon'ny Antenimieram-pirenena. Hotanterahana anio ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha teo aloha Tokely Justin...
Lazain'ny konsily fa na i Masindahy Paoly na soratra hafa nataon'ireo apôstôly ihany no ankatoavina ho anisan'ny tenin'Andrimanitra ao amin'ny Testamenta vaovao. Miisa 27 ny boky ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny asan'ny apôstôly dia tsy iza fa i Masindahy Lioka ihany no nanoratra azy ary tohin'ny Evanjely ; ny taratasin'ny Masindahy Paoly dia miisa 13... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Ara-dalana ny fanapahana navoakan'ny HCC, ka tsy maintsy arahana, hoy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Mickael androany... • Rava ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena notarihan'Andriamatoa Tokely Justin. Niisa 127 ireo Solombavam-bahoaka nanaiky ny fanesorana ity Birao maharitra ity, tamin'ny alalan'ny latsa-bato androany... • Manome fe-potoana hatramin'ny zoma antoandro izao, ho an'ny Tale Jeneralin'ny Madagascar Airlaines, ny mpiasa ao amin'ity orinasa ity mba hanaovan'ity Tale Jeneraly ity fametraham-pialana...
♦ Nangataka tamin'ireo mpitarika ny tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hampitsaharana ny hetsika amin'izay ny filohan'ny filan-kevitra miaramila Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Nilaza ny handefa iraka hanadiady sy hanelanelana momba ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny SADC, araka ny fanambarana ôfisialy navoakany... ♦ Ahiana hitarika amin'ny fanasaziana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra fitanterana an'habakabaka iraisam-pirenena ny fikatsoan'ny asa eo anivon'ny "Aviation Civil de Madagascar"...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco