♦ Nidina 39% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza any amin'ireo faritra telo niasan'ny tetik'asa PASAN SAHAZA... ♦ Maro ireo herisetra sy tranga tsy fanarahan-dalàna amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny antoko MFM... ♦ Hanamafy ny hetsika fampahafantarana sy fanabeazana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao ny SAFIDY. Hisy hetsika anio manerana ny faritra 23.... ♦ Any Nouvelle Calédonie dia nisy olona iray maty omaly, vokatry ny tifitry ny pôlisy tany DAMBEA, faritra avaratr'i Noumea renivohitra... ♦ Takalonaina telo notanan'ny HAMAS no hita faty tany amin'ny tonelina, tany Jabalia any amin'ny faritra avaratr'i Gaza

Maro ny hevi-diso voarain'ny tanora momba ny firaisana ara-nofo, indrindra mialohan'ny fanambadiana : hevi-diso ho an'ny vehivavy ny hoe tokony hanao firaisam-batana ny zazavavy raha tsy te ho momba rehefa lehibe ; tsy mitombina mihitsy ny hoe tokony hampiasàna ny taovam-pananahana mba hitombo hery. Ny lalao mikasika ny filàn'ny nofo dia fahotana satria milalao aina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

25 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

♦ Tanjona tamin'ny atrikasa natao teny amin'ny Carlton Anosy, ny fampahafantarana ny fivoaran'ny fikarohana momba ny kankana amin'ny fanatsarana ny nofontany sy ny fampitomboana ny vokatra... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Antaninarenina ny fitaovana entina manamafy ny haitondra ara-tontolo iainana, sy antontan-kevitra ara-tontolo iainana samihafa... ♦ Efa manomboka mahasarika ny Malagasy ny fanolorana fanomezana ho an'ny reny rehefa fetiny, hita taratra izany amin'ny tsenabe mahakasika ny kojakoja sy fitaovana ary fanomezana, amin'izao fetin'ny reny izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...