♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora ny Ministry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Ilay raharaha momba ny Boeing 777 an'ny iraniana nahazo laharana Malagasy no antony... ♦ Famatsiam-bola manodidina ny 75 hatramin'ny 195 tapitrisa Ariary no nositrahan'ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 30 anatin'ny tetik'asa Tady Dago. Tetik'asa vatsian'ny fikambanan'ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany... ♦ Mahavaly ny kalitao tadiavin'ny tsena eto an-toerana sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny solitany mavesatra vokarin'ny Madagasikara Ol ao Tsimiroro...
♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika, eny amin’ny fonjan’Avaradrano, ny ministry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro, teo aloha, Ramonjavelo Valéry… ♦ Famatsiam-bola hatrany amin’ny 195 tapitrisa Ariary no nositrahin’ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 30 anatin’ny tetik’asa Tady-Dago… ♦ Sakana tsy afahana manome fahafaham-po an’ny vahoaka Malagasy amin’ny raharaham-panjakana ny fisian’ny kolikoly amin’ny sehatra asa samihafa hoy ny fikambanana, ivondronan’ireo manam-pahaizana nivoaka tamin’ny sekoly ambony ENAM…
Miroborobo ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ankehitriny ny teknika fambolem-bary P-Dipping. Teknika novolavolain'ny tetik'asa Fy-Vary izay efa andiany faharoa amin'izao fotoana izao. Tetik'asa iarahan'ny governemanta malagasy sy governemanta japôney miasa ary vatsian'ny sampan-draharaha japôney momba ny fiaraha-mias iraisam-pirenena (JICA) vola. Manatsara ny voka-bary amin'ny tany manta tsy ampy zezika sy manafaingana ny fitombon'ny vary mba tsy ahatratrarany ny fotoan'ny hatsika ny P-Dipping...
♦ Nampidirina eny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa ireo voampanga, niseho fitsàrana ary namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny voampanga Maminiaina Ravatomanga, mbola karohina ny teratany vahiny iray, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny PAC… ♦ Hiverina hamokatra solintany mavesatra indray ny Madagascar Oil, ao Tsimororo, rehefa nihato nandrindra ny taona maro… ♦ Manao ezaka goavana fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara, ny eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa…
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco