♦ Hanomboka anio ny fanaparitahana ireo fitaovana samihafa ilaina amin'ny fifidianana, araka ny tetiandro nampahafantarin'ny CENI... ♦ Manentana ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin'ny zotram-pifidianana ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Antoka hampahomby izany anefa, hoy ny fanamabarany, ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy ara-drariny ary amim-pilaminana... ♦ Manomboka anio zoma amin'ny 3 ora tolakandro no ao am-bohitra, ao Tsaramihafara Itaosy, ny nofo mangatsiakan'i Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatra amin'ny anarana hoe Xhi...

Vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia maro ny tanora voasarika amin'ny filan'ny nofo, mety ho tonga ho amin'ny vohoka aloha loatra ireny. Tena zava-doza ho an'ny reny sy zaza ny fitondrana vohoka aloha loatra satria lasa misy olana eo amin'ny fianakaviana, fiaraha-monina ary ny firenena. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

10 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...