Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...

Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ 37 tamin'ireo antontantaratasy 109 voaray izay maniry ho tale jeneralin'ny CNaPs no nahafeno ireo fepetra napetraka ka afaka miatrika ny dingana manaraka... ♦ Manambana ny hanao hetsika ireo mpianatra nivoaka tamin'ny ENS sy ENSET manerana an'i Madagasikara raha tsy mahazo valiny amin'ny fangatahany, ao anatin'ny 48ora... ♦ Miisa 16 ireo tranga voamarina sy tranga ahiana amin'ny MPox izay raisin'ny CTI etsy Andohatapenaka ka misy zaza 8 taona ao anatin'ireo tranga ahiana... ♦ Manao antso amin'ny hampiatoana ny ady eo amin'i Afghanistan sy Pakistan ny firenena mikambana...

♦ Hatolotry ny fitondrana Fanavaozana amin'ny SADC anio ny tatitra amin'ny asa vitany sy ireo dingana mbola hotanterahina... ♦ Mila mazava ny lalana, tsy maintsy miverina amin'ny vahoaka ny fahefana hoy ny fanambaran'ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy (RDS)... ♦ Asa goavana andrasana amin'ny Corentin Martins ny mba hahafahantsika mandray anjara amin'ny CAN manaraka, raha ny nambaran'ny Ministra miahy ny fanatanjahantena... ♦ Maromaro ireo firenena mampitandrina ireo teratany tsy hiditra any Israely, isan'ireny i Frantsa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...