♦ Nankalaza ny fetin'i Masindahy Joany Bosco ny Fiangonana omaly faha-31 janoary. Sorona Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo Mgr Raoelison Jean de Dieu no nanehoan'ny fikambanana saleziana izany teny Ivato... ♦ Telo no maty, dimy naratra mafy, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby niseho tao Sahasinaky Fenomby. Fiaran-dalamby niainga tao Manakara saika hihazo an'i Fianarantsoa... ♦ Hanolotra ny fandaharan'asany hanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny  amin'ny antenimieram-pirenena, anio maraina ny Praiministra lehiben'ny Governemanta, araka ny voalazan'ny andininy faha-99 ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika fahaefatra...

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Zokiolona , ho an'ny fianakaviana, ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny Eglizy. Mila fanomezam-boninahitra amin'ny fiainana manontolo ny zokiolona, zava-dehibe ho an'ny fiaraha-monina izy ireny. Ny fanabeazana avy amin'ny zokiolona dia zava-dehibe, manamafy izany ilay fahendrena hoe : zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza fa na efa lehibe aza izy tsy hiala amin'izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

1 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

Ankehitriny dia miha mavesatra ny hasin'ny fianakaviana, izay ny ray no loham-pianakaviana mitarika. Manana andraikitra lehibe ny ray manoloana ny zava-misy ankehitriny, amin'ny lafiny fanabeazana ny ankohonany : aina sy vatana. Ny atao hoe "ray" dia solon-tenan'ny fianakaviana, miaro ny ankohonana, mamelona. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...