♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...

♦ Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondràna sy ny mpanohitra amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey, raha ny hevitry ny antoko Fiombonana. Tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin'ny volana novambra, hoy izy ireo... ♦ Nahasahana ny sakafon'ny voafonja ny fambolena tao amin'ny Camp Pénal ao Moramanga sy Vatomandry. Nitsidika ireo toerana ireo ny Ministry ny Fitsaràna ny faran'ny herinandro teo, nahita izany fivoarana izany... ♦ Efa natolotra ny sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady eo anivon'ny Pôlisim-pirenena i Da-Willy, ilay nanolana zaza 6 taona teny Imerintsiatosika. Voasambotra teny Anosibe androany vao maraina be izy...

Ny didy savaravina (=ADD) dia didy tsy raikitra mivoaka aorian'ny matoan'ny didim-pitsarana (=minutes), izay didy mety mbola hiova. Ny tiana ambara amin'ny hoe onitra "OMBY SISA MITA" dia ilazana ny onitra tsy maintsy hefaina miaraka sy mitambatra, ary tsy maintsy haloa na efa nisy ampahan'olona voampanga aza efa nanefa ny onitra. Dika teny (Mpisolovava = avocat) (Mpitsara=Juge, magistrat) (Tonia = Procureur) (taha-dikan-didim-pitsarana = jurisprudence). Matetika re ny hoe "Fitsarana tsy mahefa", ny antony io dia matetika misy tranga vaovao na antotantaratasy miditra ka tsy tandrify ny sampam-pitsarana iray intsony ny hadirin'ny ady hany ka mila ho "TSY MAHEFA" ny fitsarana ary mandrisika ny hitondrana ny raharaha amin'ny tendrom-pitsarana hafa manoka.

♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...