♦ Misokatra manomboka anio amin'ny distrika 120 manerana ny Nosy ary aharitra 20 andro ny fampielezan-kevitra ho an'ireo kandidà mirotsaka ho fidiana ho amin'ny fifidianana solombavambahoaka tanterahina ny 29 mey izao... ♦ Miato hatramin'ny faran'ny volana mey ny fivoriana eny amin'ny antenimieram-pirenena ho fanomanana sy ho fiatrehan'ireo solombavambahoaka amperinasa mbola mirotsaka ho fidiana amin'ny fifidianana ny 29 mey, hiverina hivory kosa ny birao maharitra ny volana jona... ♦ Olona am-polony no nahiditra am-ponja vonjy maika any Maroantsetra noho ny tsy fandoavana tamberim-bidy nataona mpandraharaha iray misehatra amin'ny La Vanille...

Mahasadaikatra ireo ray aman-dreny ny miresaka amin'ny zanaka indrindra ny ankizivavy ny resaka momba ny fananahana satria mahamenatra sy heverina ho teny ratsy (tabou). Mafy loatra ny tosiky ny teknôlojia ka ireny dia isany mahadiso hevitra ny tanora sy ny ankizy izay heverin'izy ireo ho marina sy azo atao avokoa. Ny fifanoroana samy ankizy ihany koa izay diso ny ankamaroany. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

8 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Ilana vahaolana maharitra ny olana misy eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny Filohan'ny SECES... ♦ Mitaky fidinana ifotony, iarahan'ny rehetra, hanamarinana ny maha tsy tanimboly nohajarian'ny mponina aman-taonany ao amin'ny Kaominina Antaniditra sy Analasoa, Distrikan'i Moramanga, ny Fiangonana ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...