♦ Tokony ho 800.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara ary mitaky ny hampitoviana ny marikarama eo amin'ny mpiasam-panjakàna ny sendika SFDM... ♦ Mitaraina amin'ny fahatam-pahan'ny rano lavareny ny mponina eny amin'ny fokontany Manjakaray ao Antananarivo renivohitra. Efa ho telo volana izao no tapaka ny rano eny an-toerana... ♦ Manantena ny hahazo ny faritra vaovao faha 25 eto Madagasikara ny mponina any amin'ny Plateaux Mahafaly... ♦ Nitory ny fitondrana Israeliana any amin'ny fitsarana iraisam-pirenena i Afrika atsimo noho ny ambaran'izy ireo hoe : famonoana olona faobe no ataon'ny tafika Israeliana any Gaza...
♦ Mitsipaka marin-drano ny resabe miely fa hoe : misy fanodikodinam-bola an-jatony tapitrisa Ariary tao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo ny ben'ny tanàna omaly... ♦ Notokanana sy notsofin-drano omaly ny trano natokana hanamboarana ny arimbao, an'ny fikambanana "Vehvavy Mahery" eny Andohatapenaka... ♦ Hetsika ara-tsôsialy : ny akon'ireo hetsika samihafa tafiditra amin'ny fankalazana ny fetin'ny faran'ny taona... ♦ Olona 30 no maty ary 160 naratra voakatry ny daroka missiles miisa 160 nalefan'ny tafika Rosiana tao Kiev renivohitra Okrainiana omaly... ; Tafakatra 100.000 isa ireo Palestiniana mifindra monina any Rafah faritra atsimon'i Gaza, vokatry ny fanafihana mahary vaika nataon'ny tafika Israeliana...
Tonga nofo ny teny mba ho ohatra ho antsika fa môdely amin'ny lafiny rehetra ; ny sehatry ny asa no resahina amin'ity katesizy ity satria ny fanaovana ny asa ampahamarinana sy ampamendrehana dia tsy antoky ny fivoarana fotsiny fa antoky ny fahamasinana ihany koa. Mila mitandrina ny zava-boahary isika olombelona mba hitondra soa sy harena ho an'ny rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
30 desambra 2023 — Andro fahenina amin'ny Havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco