Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

12 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)

• Nihaona tany Paris androany, Andriamatoa isany Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha. Niresaka ny olana samihafa sedrain'ny vahoaka Malagasy ankehitriny izy ireo... • Tsy anavahana firehana na antoko politika, fa vonona hisokatra sy haira-miasa amin'ny Ben'ny Tanana rehetra ny fitondram-panjakana... • Hiaro ny tombontsoan'i Frantsa no antony hahatongavan'ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron eto Madagasikara, raha ny hevitry ny Komity Foiben'ny antoko MFM...

• Efa mivoaka ireo sary famantarana sy hira faneva ho fankalazana ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe... • Nozaraina ho Vikaria Episkopaly telo ny Diosezin'i Farafangana... • Nanao antso avo ho fanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty, ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...