Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 4, 36-37. 52-59)
Tamin’izany andro izany,
hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny:
“Efa resy itý ny fahavalontsika,
ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.”
Dia nivory ny tafika manontolo,
ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.
Dia nifoha maraina koa izy,
tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana fahasivy,
izay volana atao hoe Kasleo,
tamin’ny taona fahavalo amby efapolo amby zato,
ka nanatitra sorona,
araka ny lalàna teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.
Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra
no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny salamo,
sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.
Indray nihohoka ny vahoaka dia nitsaoka sy niandrandra ny lanitra,
nisaotra an’Ilay nanambina azy.
Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely,
ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana
sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.
Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly,
namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efi-trano
sady nasiany varavarana.
Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka
ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.
Ary i Jodasa nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny
mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely,
amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona
miantomboka amin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Kasleo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12
Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,
sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny fanjakana,
sy ny fisandratana ho lohan’ny zava-drehetra!
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no mifehy ny zava-drehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleioia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
Tamin’izany andro izany,
niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,
ka nanao taminy hoe:
“Efa voasoratra,
fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”
Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 2, 15-29)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka,
nomena raharaha hanery ny olona hivadika.
Israelita maro be no nomba azy ireo;
ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa.
Niteny tamin’i Matatiasa ireo irak’i Antiôkosa, ka hoy izy taminy:
“Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso
mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy.
Koa ianao no aoka hanatona voalohany,
hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra,
sy ny lehilahy amin’i Jodà,
mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema,
dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao,
samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy
sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.”
Ary i Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe:
“Na dia hanaiky an’i Antiôkosa avokoa aza
ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany,
ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany,
sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,
izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay.
Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny!
Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay,
ka hiala amin’ny fombam-pivavahana,
na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.”
Vao tapitra izay teniny izay,
dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona,
araka ny didin’ny mpanjaka,
teo amin’ny ôtely natsangana tao Môdìna.
Nony nahita izany i Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony;
navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany,
ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy.
Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka,
nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.
Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna,
toy ny nataon’i Finea izay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma.
Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe:
“Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena,
samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.”
Izay izy mbamin’ireo zanany,
dia nandositra nankany an-tendrombohitra;
nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna.
Nisy Jody maro be koa,
izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna
ka nidina tamin’izay ho any an’efitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15
Ny Tompo Andriamanitra lehibe
manaika ny tany tontolo:
dia izay iposahan’ny andro
ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.
Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana!
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)
Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa
dia nitomany azy nanao hoe:
“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro
hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mandeha ny resaka fa kasaina hahongana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tsy mitombina izany vaovao izany hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, anisan'ireo mpikamban'ny Birao maharitra nivory teny Tsimbazaza omaly... ♦ Litchis hatrany amin'ny 18.000 taonina no haondrantsika any ivelany amin'ity taona ity. Efa tonga ao seranan-tsabon'i Toamasina ny sambo lehibe roa hitondra ireo vokatra ireo, raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Nanitsy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja fa tsy maty tany am-ponja ny mpanakanto Ninie Donia. Efa nihoatra ny fe-potoana tokony ho izy, hoy izy no nitsaboana azy tany amin'ny hôpitaly...
Ny mpianatra amin'ny ambaratonga voalohany no tena ahitana tahotra. Ny 20 nôvambra dia andro iraisam-pirenena hitakiana ny zon'ny ankizy. Ny tahotra dia isan'ny sakana tsy mampivelatra ny mpianatra sy tsy handroso. Ny tahotra dia efa raikitra sy monina ao anatin'ny olona iray. Ny ankizy 2-6 taona, 6-11 taona dia tsy mbola anatin'ny fahamatorana, hany ka izay manaitra azy dia miteraka tahotra ho azy ireny. Mila manao ezaka ny ray aman-dreny sy ny mpanabe mba hanampy ny ankizy hiala amin'ny tahotra, eny amin'ny ambatonga voalohany, mialohan'ny hirosoana any amin'ny fiainan'ny adolantsento. Ny mpampianatra no mamoha ny tahotra ao amin'ny mpianatra ankoatra ireo mpiara-mianatra aminy...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco