♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa ANKIZY tohanan'ny fikambanana ASMAE. Nampahafantatra ny vokatra azo nandritry ny 9 taona nanaovana ny tetik'asa izy ireo omaly... ♦ Hotohizan'ny BNGRC any amin'ny Faritra Atsinanana ny andiany faharoa amin'ny fandaharan'asan'ny fitondram-panjakàna hanampiana ireo olona marefo noho ny tsy fahampian-tsakafo. Nisitraka fanampiana ireo tokantrano marefo tao amin'ny kaominina Sandroy... ♦ Nidina ifotony nifanakalo hevitra tamin'ireo vondron'olona ifotony ao ANJA, Distrika Ambalavao - Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Antoko FY-M Raderaniriana Sendrison Daniela...

Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nitondra valin-kafatra tamin'ny tsikera nataon'ny solombavambahoaka sy mpanao pôlitika momba ilay solontenany voafidy ho mpikambana eo anivon'ny CENI ny andiana fiarahamonim-pirenena. Tsy tokony tsabahan'ny solombavambahoaka sy ny lehiben'ny Faritra ny safidin'izy ireo... ♦ Mbola tsy mahavaly ny fenitra takiana amin'ny fanondranana vokatra ara-pambolena i Madagasikara ka mila manao ezaka misimisy kokoa. Mbola taraiky mihoatra ny tany afrikana sasany isika malagasy... ♦ Hisokatra mialohan'ny 26 jona ny fiantsonana Fisandratana eny Amoronankona-Antananarivo-Avaradrano...

♦ Mbola afaka manondrana vokatra ara-pambolena betsaka kokoa isika eto Madagasikara, raha manaraka ny fenitra ara-pahasalamana SPS takian'ny any ivelany... ♦ 10 taona taorian'ny fahavitany, hisokatra ary hampiasaina mialoha ny 26 jona farafahatarany, ny Toby fiantsonana Fisandratana eny Amoronakona, hoy ny Ministry ny Fitaterana izay nitsidika teny an-toerana, androany... ♦ Ara-dalàna ary tsy nisy hosoka ny nahalany ireo solontenan'ny Firaisamonim-pirenena ho mpikambana eo anivon'ny Ceni hoy ireo andiana Fiarahamonim-pirenena misahana fifidianana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...