♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray rahalina amin'ny 7 ora ao amin'ny Haino aman-jerim-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry, araka ny fampahafantarana nataon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny vahoaka, hihaino ny vahoaka, hanitsy izay tsy nety tamin'ny fomba fiasa ny zandary araka ny nambaran'ny COMGN voavao nandritra ny famindram-pibaikoana arak'asa ny maraina teo... ♦ Nanao fifonana ampahibemaso ho an'ny vahoakan'Antananarivo mahakasika ny fepetra tsy namelàna ny kianjan'Ambohijatovo ho sehatra nanaovana fanehoan-kevitra ny andron'ny 25 septambra teo ny prefet ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...

♦ Tohin'ny hetsika "leo delestazy" : hitohy manrapivalin'ny fitakiana amin'ny fialan'ny filoha Rajoelina, hifampitaona eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey indray anio alatsinainy, ireo mpitolona ary nilaza ny hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakàna... ♦ Nahazo lehiben'ny fibaikona vaovao ny avy amin'ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena, nilaza tsy mandray baiko afatsy amin'ireo lehibeny ireo araka izany ny miaramila sy ny zandary... ♦ Noesorin'ireo mpikamban'ny birao maharitry ny antenimieran-doholona tsy ho filohany intsony ny jeneraly Richard Ravalomanana...

--- Mitsoka mafy ny rivotra maneran-tany amin’ny fikatsahana ny fiovana izay tarihan’ireo tanora anatin’ny vondrona GEN Z. Ny tao Nepal noniandohan’izany ary tao anatin’ny roa andro monja dia rava tanteraka nyfitondrana tany an-toerana. Niitatra tamina firenena hafa toy ny tao Indoneziasy Maroc ary any Péru ny toe-draharaha ary izao tonga eto Madagasikara izao. Hevitra niraisan’ireo mpanao hetsika, izay notarihan’ny tanora, ny olan’ny fiainana andavan’andron’ny vahoaka, toy ny fahantrana lalina, nefa ny mpitondra migalabona amin’ny harena sy ny volam-bahoaka, ny kolikoly amina sampan-draharaham-panjakana samihafa, ary koa ny fanovan-drafitra manoloana ny olan’ny tontolon’ny fanabeazana sns... 

Ny evanjely dia tena nisy ara-tantara, izany hoe tsy angano na zavatra noforonina. Ny fiangonana Reny Masina dia nitana ary mitana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina ary tena tsy nisy fahatapahana fa ireo Vaovao Mahafaly efatra voalaza ireo izay ambarany tsy misy fihambahambana ny fisiany ara-tantara nitrangany dia mampita marina izay zavatra nataon'i Jesoa zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...