Maro ireo zo tokony ho azon'ny mpiasa iray ivelan'ny ora sy ny fotoana iasana. Ireto manaraka ireto izany zo izany : fisotron-dronona, zo ho tsaboina raha marary, zo hisitraka fanampiana raha tra-doza, fanampiana rehefa mitondra vohoka sy teraka. Zo hiorenan'ny maha-olona ihany koa ny zo hivory, sy ny hiditra na hanangana fikambanana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
24 septambra 2023 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Ny aretina "alzheimer" dia aretina manafika ny atidoha, izay misy faritra mikoloko ny fitadidianana. Ny volana septambra no nofaritan'ny firenena mikamba hanentanana sy hampahafantarana ny olona mikasika ity aretina ity. Tsy ny olona antitra rehetra no tratran'io aretina io, fa izay olona voakasiky ny fahasimban'ny "hippocampe" ihany ; ny "alzheimer " dia miteraka fahaverezan'ny fitadidiana. Raha misy tranga hafahava dia tsara raha manantona mpitsabo. Mety hampiakatra ny tranga ny : diabeta sy ny tosi-dra, raritsaina...
♦ Nampahafantatra ny voka-pikarohana nataony ny foibe fikarohana ho an'ny Fampandrosoana ao amin'ny Université Catholique eto Madagasikara eny Ambatoroka. Fikarohana momba ny fanabeazana sy ny fahasalamana... ♦ Niharan'ny herisetra na fanoitohinana ara-nofo avokoa ny 75% amin'ny vehivavy mpanao gazety nanaovan'ny ONG Sifaka fanadihadiana... ♦ Mijery ny fomba rehetra tsy hampiakatra ny vidim-bary sy mba hahampy ny varin'ny vahoaka ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Mitohy ny fikatsaham-bahaolana ara-diplômasia amin'ny fanonganam-panjakàna nitranga tany Niger. Manohy ny fanelanelanana ataony ny amerikana momba ity raharaha ity...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco