13 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)

• Mitaky ny fampiatoana ny fitrandrahana “terres rares” kasain'ny orinasa Harena Ressources hatao any Ampasindava, ny vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena any Ambanja... • Misalasala amin'ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika eto Madagasikara... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Barea, hiatrika ny fanintsanana Mondial 2026...

• Tombanana hiditra an'i Madagasikara ny zoma izao, ilay rivodoza Jude. Mbola any Mozambika izy ankehitriny, ka hiverina an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina... • Hihemotra amin'ny manaraka ny fandinihana ny SMGD eo anivon'ny Filankevitry ny Tananan'Antananarivo... • Mpandraharaha Malagasy sy vahiny an-jatony no hihaona any Genève, ao anatin'ilay hetsika “Forum Économique International”. Hetsika ara-toekarena momba an'i Madagasikara izy io, handrisihana ireo mpampiasa vola, ho avy eto amintsika...

Eo amin'ny faha-50 taona no manomboka miditra amin'ny digam-piainana maha zokiolona ny olombelona. Misy ireo trangan'aretina izay tsy azo hamaritana velively ny maha zokiolona, satria ny maro amin'izy ireny matetika dia miseho noho ny fomba nitondran'ny tsirairay ny fiainany.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...