♦ Nihazo avy hatrany ny Faritra Menabe ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-dia taminy, taorian'ny fanomezam-boninahitra natao teny Mausolée omaly... ♦ Manana tanora manampahaizana maro afaka mamaha ny olan'ny famatsiana herinaratra eto amin'ny firenena ny eny amin'ny polytechnique Vontovorona anatin'ny sampam-piofanana génie électrique... ♦ Klioba isany mamoaka mpilalao baolina kitra mahay sy malaza ny CFFA Andoharanofotsy ka hitohizan'ny fahazoana vokatra tsara dia hisy ny fanatsarana ny foto-drafitr'asa hilalaovan'ny tanora...

Tsy fototry ny fahotana fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra fa io tsy fihainoana io ihany koa no mahatonga ny fahafatesan'ny olombelona, izay tsy mihaino ny Tenin'Andriamanitra dia anisan'ireo maty mandrakizay izany hoe tsy ho isan'ireo hitsangan-ko velona. Rehefa miala amin'Andriamanitra isika olombelona dia maty anefa mbola miezaka mamonjy antsika amin'ny fomba maro izy Mpahary... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Tontosa androany ny lanonam-panjakana manetriketrika nandraisan'i Madagasikara ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo roa lahy mpitari-tafika niara-dia taminy. Efa nentina nihazo an'i Manabe ireo kabeso... • Miroso amin'ny fijerena ireo lalam-piofanana mety sy tiany arahana akehitriny, ireo mpianatra vao afaka bakalorea. Hita taratra izany eny amin'ny hay ranty tanterahana eny Mahamasina... • Tsy marina ny filazana fa takiana vola 250.000 Ariary ireo mpiofana ho mpandraharahn'ny fonja. Nandiso izany ny Tale Jeneralin'ny sekoly ENAP...

♦ Manome vahana fanaovan-dratsy sy fiarovana olona ambony ny HCJ hoy ny solombavambahoakan'Arivonimamo. Noraisin'ity olomboafidy ity ohatra ny raharaha Boeing 777, izay mahavoarohirohy olon'ny fitondràna... ♦ Miantso dinika amin'ny Fanjakàna sy ny mpapiasa ny Fisemare, hampiakarana ny karaman'ny mpiasa amin'izao fidiran'ny mpianatra izao... ♦ Misy amin'ireo mpilalaon'ny Barea nanao lalao famaranan'ny CHAN farany teo no efa nisy nividy sahady hilalao any ivelany. Mpilalao roa hafa koa no efa tsiriritin'ireo klioba vahiny hanatevina ny ekipany... ♦ Mihamafy ny fifandonana eo amin'ny AFC/M23 sy ny Fanjakàna Congolais any Nord-Kivu...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...