♦ Hosokafana rahampitso talata 19 mey eny amin'ny FJKM Ankadikely-Ilafy ny fihaonamben'ny FFKM. Handinihana ny fiainana anatin'ny FFKM sy ny raharaham-pirenena izy io... ♦ Nosoniavina androany teny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny teny Anosy ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fenitra ara-pahasalamana, ho an'ny fanondranana ny voanjo vokatra eto Madagasikara mankany Chine... ♦ Hampihemotra ireo mpizahan-tany vahiny ho avy eto Madagasikara ny fampiakarana saram-pidirana avo roa heny, eny anivon'ireo valan-javaboahary tantanan'ny Madagascar National Park...
♦ Nitondra fanazavana momba ny fihaonambe izay tanterahana nanomboka androany ny FFKM... ♦ MIsy ireo solontenan'ny mponina velon-taraina amin'ny karazana tsindry ataon'ny olom-boafidy any Ankazoabo... ♦ Nazava ny fandresen'ny Disciples FC ny Fosa Junior tamin'ny lalao mandroso amin'ny ampahefa-dalana ho an'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara, izay natao tany Mahajanga... ♦ Hanatanteraka fitsidihana apôstôlika any Frantsa ny Papa Léon-XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra amin'ity taona 2026 ity...
♦ Fitaovana hanampy amin'ny fifandraisana ny teknôlôjia fa tsy hanolo ny olombelona, hoy ny hafatry ny Papa Léon-XIV, tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany faha-60 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Hanao ny kômity foibe faha-47 sy fihaonambe hiaraka amin'ny ratsamangaikany ny FFKM amin'ity heriandro ity... ♦ Hiray feo indray ny GEN-Z raha ny nambaran'ireo tanora nidina teny Ambohijatovo ny sabotsy teo... ♦ Manitatra ireo fanafihana ataony any Liban i Israely na dia nohalavaina aza ny fifanarahana fampitsaharana ny ady eo amin'ny roa tonta...
---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco