Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 9-13)
Ry kristianina havana,
he tsaroanareo ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay,
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.
Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa,
fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino,
ny fitondran-tenanay;
hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy,
araka ny hitanareo;
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo,
namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra,
izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Noho izany,
dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’ny olombelona izany,
fa noraisinareo araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 7-8. 9-10. 11-12ab
Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitokoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana.
Ka hoy aho hoe: Ny haizina no aoka hanarona!
Ny alina no hifonosako!
Kanjo na ny haizina aza, tsy maizina aminao;
ny alina avy no mazava toy ny andro.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany
ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa,
ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy,
handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fenitra voajanahary hatrany am-piandohana ny asa ho an'ny olombelona, ary efa nisy talohan'ny fahalavoana izy, koa tsy sazy na ozona velively. Lasa hasasarana sy fahasahiranana izy noho ny fahotan'i Adama sy Eva, izay nanapaka ny fifandraisana tamim-pitokisana ary nirindra teo amin'izy ireo sy Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
25 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 1-8)
Ry kristianina havana,
tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;
fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay,
araka ny fantatrareo rahateo,
dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatý aminareo,
tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,
fa araka ny nankasitrahan’Andriamanitra
ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy,
tsy toy ny mila sitraka amin’ny olombelona,
fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay,
araka ny fantatrareo;
na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),
na nitady voninahitra tamin’olombelona,
na taminareo izany, na tamin’ny hafa;
ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana,
noho ny maha-Apôstôlin’i Kristy anay,
dia naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6
Tompo ô, mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina!
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo,
nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba,
ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba,
diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco