20 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Ny 99% amin'ny olona dia misy tandra avokoa, ary ny faritra rehetra amin'ny hoditra dia mety hisy azy daholo. Ny tandra dia tasy amin'ny hoditra izay mety ho : miloko mainty na manga na volontsokola, mivohitra, malama, maniry miaraka amin'ny volo. Ny mahatonga ny tandra dia fivangongon'ny sela "mélanocyte" manome loko ny hoditra. Ny tandra dia misy karazany roa : ireo nentina hatrany ambohoka "hamatra", ireo azo mandritra ny fitombona. Antony mampisy azy : toetr'andro mafana, fikorontanan'ny tsirimpanentana. Raha misy fiovana ny hendriky ny tandra dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo hoditra : mety mihoatra ny 20, mihova ny hendriky ny sisiny na ny lokony, mitombo ny habeany...
♦ Namarana ny fitsidihana nataon'ny SADCOPAC na ny biraon'ny kômity mopitantana avy eo anivon'ny SADEC, teto Madagasikara,omaly ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hitondra tombontsoa ho an'ny mpandraharaha sy ny firenena Malagasy ny handraisantsika anjara amin'ilay hetsika "Agrivest" sy ny tsenabe ara-toekarena sy ara-barotra atao any Israely... ♦ Mangataka fihaonana mivantana amin'n filoham-pirenena ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo... ♦ Manetsika ny miaramilany any amin'ny manodidina an'i Taiwan indray, androany, ry zareo sinoa, taorian'ny fandalovan'ny filoha lefitra Taiwanais LAI CHING tany Etazonia...
♦ Nohatsaraina sy navaozina tanteraka ny seranam-piaramanidin'i Toliary ka lasa seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, ary notokanan'ny filoham-pirenena omaly... ♦ Ny renivohitr'i Toliary indray no nandray ny afon'ny lalaon'ny nosy omaly hariva, amin'ny 23 aogositra kosa izany no ho tonga eto Antananarivo... ♦ Niantso ny vahoaka sy ny mpanao politika hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra ny Vikera jeneraly ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, nandritra ny lamesa fanokafana ny JMJ Diôsezy andiany fahatelo... ♦ Mandeha avokoa ny ezaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena hamahana ny olana misy any Niger, taorian'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 26 jolay teo...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco