♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...

♦ Voasambotra tany Londres, noho ny fitakiana vola tamin'ny orinasa iray mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ny Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa... ♦ Nanambara ôfisialy ny hirotsahany ho kandidà Filoham-pirenena, Andriamatoa Rolland Ratsiraka... ♦ Miombon-kevitra sy manamafy ny fitakian'ny SECES Sampana Antananarivo, ny ENS. Miato avokoa ny asa rehetra eny Ampefiloha...

Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

14 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo — Taona tsy ankasa — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...