♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: "Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo." Ary namaly i Jesoa nanao hoe: "Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy." Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy. Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: "Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?" Hoy i Jesoa taminy: "Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erý ianareo’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao."

Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.

Tamin’izany andro izany, tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?" Ary hoy ireo: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?" Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: "Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra." Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe: "Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!" Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy itý ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...