14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...

♦ Feno 53 taona katroka androany ny raharaha 13 mey 1972. Mby aiza ny firenena, taorian'ny hetsi-bahoaka tamin'izany, izay nampirodana ny Repoblika Voalohany... ♦ Tokantrano 2.500.000 isa no kendrena ho voarakitra anatin'ny Rejisitra ara-tsôsialy tokana amin'ity taona 2025 ity... ♦ Hampiantrano fanintelona misesy ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy i Madagasikara. Hotanterahana ny volana Jona izao izany, hoy ny Filohan'ny Federasiôna... ♦ Nisy ny tatitra nivoaka momba ny fianjeran'ilay fiaramanidina MH17 avy eny amin'ny habakabak'i Ukraine, tamin'ny taona 2024...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...