13 mey 2025 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)

♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger...  ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...

♦ Fotoana handraisan'ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina fanapahan-kevitra amin'ireo ministra tsy nahomby amin'ny asany, ny akon'ny fihaonan'ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny antoko RPSD. Fihaonana hotanterahana ny 12-13 jona izao... ♦ Hanampy betsaka ireo madinika ny fifanaovan-tsoniam-piara-miasa eo amin'ny fikambanan'ny orinasa Malagasy FOM sy ny BNI amin'ny alalan'ny KRED Madagasikara... ♦ 69% amin'ny taham-pahaveloman'ireo zana-kazo nambolena amin'ny ankapobeny, raha ho an'ny taona 2024. Hamafisina hatrany ny ezaka fikolokoloana sy fanaraha-maso ny hazo novolena, hoy ny Ministry ny tontolo iainana...

Nampiombona ny fitopin'ny mason'izao tontolo izao tao anatin'ny andro maromaro ny zava-misy any Vatican. Indreo fa samy niresaka, naneho hevitra, ary indrindra naminavina izay mety ho dimbin'i Md Piera ireo mpiserasera. Tsy ny mpino katôlika ihany fa na ny tany an-tokantrano, hatrany anaty fitateram-bahoaka, toeram-piasana, indrindra ireo mpampiasa tambajotran-tserasera dia voasarika tamin'ny zava-nisy tany an-toerana. "Izao no izy, tsy izany fa izao:..." tonga amin'ilay momba fiteny hoe: Katolika alohan'ny Papa mihitsy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...