♦ Manao tomban'ezaka ny enim-bolana voalohany amin'ity taona ity mandritra ny fivoriana tanterahana eto Antananarivo ireo manamboninahitra eo anivon'ny Tafika Malagasy. Fanambin'izy ireo amin'ny enim-bolana faharoa ny hanatsara hatrany ny fandriam-pahalemana... ♦ Fanaovana antsojay ny mahazo ny mpitantana vonjy maika sy ny sendikà ao amin'ny CNaPs hoy ny vondron'ny Sendikan'ny Mpiasa... ♦ Mandry tsy lavoloha ny mponina any amin'ny Fokontany ao amin'ny ilan'ny andrefan'ny Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo, Faritr'i Itasy amin'izao fotoana izao noho ny afitsoky ny asan-jiolahy... ♦ Maneho ny tsy fahafaliana tamin'ny tifitra nataon'ny pôlisy ani'ilay tovolahy 17 taona ny talata teo ny mponina any Frantsa...

♦ Nankalaza ny faha-27 taona nijoroany ny Radio Don Bosco ny talata lasa teo. Radio Katôlika ho an'ny Malagasy tantanan'ny fikambanana Saleziana eto Madagasikara. Tsy mirona amin'ny firehen-kevitra pôlitika hoy ny lehiben'ny fikambanana Mompera Innocent Bizimana...  ♦ Efa tonga ao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny Eveka Mpanampy any amin'ity Diôsezy ity Mgr Jean Nicolas hoamasinina amin'ny alahady ho avy izao... ♦ Tsy hain'ny mpitondra ankehitriny hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga ny mamaritra ny laharam-pahamehana. Tsy mahagaga hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo raha toa ka izao no toerana misy ny firenena...

Maro ny mamboly hazo fa amporisihana hatrany ny tsirairay hanohy izany satria efa lasa nosy mena i Madagasika ilay nosy maitso fahiny ; lasa tany ngazana ilay tanindrazana. Rehefa tsara ny vokatra dia mazot ny olona hisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana, amporisihana araka izany ny teknisiana hanohy ny asa fikarohana hanatsara masomboly sy taranaka biby fiompy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

29 jona 2023 — Masindahy Piera sy Paoly, Apôstôly — Fankalazana manetriketrika — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...