Ny tena soa ho an'ny olombelona sy ny zava-boahary hatrany no tokony hokatsahina. Aoka hotombanana ambony indrindra hatrany ny hasina maha-olona, ary miaraka amin'izay ny zava-manana aina hafa. Aoka tsy hoviraviraina tafahoatra amin'ny fanandramana ny aina. Raha misompatra sy manara-po ny olombelona dia iharan'ny hatezeran'ny natiora, toy ny tondra-drano, hain-tany, aretina. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

♦ Nalefa any Frantsa tamin'ny alalan'ny fiara-manidina i Philippe François, ilay teratany Franntsay nifonja teny Tsiafahy noho ny raharaha Apollo-21... ♦ Niara-nankalaza ny iray volan'ny ankizy tamin'ireo ankizy tao an-drenivohitra sy tamin'ny Faritra samihafa teto amin'ny nosy ny Orange Madagasikara. Nofaranana omaly teny Analakely ny hetsika tao an-drenivohitra... ♦ Misedra fahasahiranana ankehitriny ny lalam-pihariana fiompiana akoho manatody lava sy ny akoho fakàna nofo. Nampihena ny famokarana hatrany amin'ny 50% ireo mpisahatra mivondrona ao amin'ny IPA Madagasikara...

♦ Handray anjara amin'ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina amin'ny 26 jona izao ny solontenan'ny tafika frantsay... ♦ Nesorina tamin'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc omaly ireo mpitandro filaminana mpiambina azy teny amin'ny trano fonenany eny Faravohitra. Naverina an-dakazery avokoa izy ireo... ♦ CISCO miisa 5, omaly, no namoaka voalohany ny vokam-panadinana CEPE natao tamin'ny talata lasa teo. Hivoaka mialohan'ny fetim-pirenena ny voka-panadinana any amin'ny CISCI hafa... ♦ Miaina anatin'ny hafanambe ny mponina any amin'ny ilany avaratra sy atsinanan'i Chine ankehitriny, mahatratra 40°C ny maripana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...