♦ Ilaina ny fananana hambom-po, manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ankehitriny, hoy ny FFKM... ♦ Manatanteraka hetsika manokana ho fiarovana ny zaza, ny sampan-draharaha misahana ny ankizy tsy ampy taona, eo anivon'ny Pôlisim-pirenena... ♦ Nohelohin'ny Fitsarana, sazy mihantona roa taona, i Doris sy i Nambinina, araka ny didy nivoaka androany maraina...
Ataontsika topi-maso miaraka ny amin'ny Trinite Masina ny tontolo izay iainantsika. Raha jerentsika araka ny fijerin'ny Trinite Masina izao tontolo izao dia mirona any amin'ny zava-dratsy ny ankamaroan'ny olona izay mitondra azy any amin'ny afobe fa tsy any an-danitra. Voairaka toa an'i Jesoa koa isika handrava ny herin'ny ratsy amin'ny manodidina antsika sy hanandratra an'Andriamanitra. Fandaharana "miaina sy mitia"
Voavondrona sy voafintina ao amin'ny olombelona ny zavatra rehetra araka izay voasoratra hoe : anareo ny zavatra rehetra, ianareo an'i Kristy ary i Kristy an'Andriamanitra. Ny fanilovan'ny Tenin'Andriamanitra momba ny fahariana sy ny fahiratan-tsain'Andriamanitra no nahafahan'ny olombelona mivoatra ; tsy tokony hihantsy an'Andriamanitra araka izany ny olombelona na hanohitra ny lalan'ny natiora. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
23 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco