Izao no nambaran’i Joany Batista raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao ?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe : “Tsy i Kristy aho.” Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry ? i Elia va ianao ?” Fa hoy izy. “Tsy izy aho.” Dia hoy ireo : “Ilay mpaminany va ianao ?” Fa hoy ny navaliny ; “Tsia.” Ka hoy izy ireo taminy. “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao ?” Dia hoy izy. “Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe : Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.” Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe : “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy ? na i Elia, na ilay Mpaminany ?” Ka novalian’i Joany hoe : “Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.”

Tany Betania an-dafin’i Jordany izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.

Tamin’izany andro izany, dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona ; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy ; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza dia natao hoe Jesoa no Anarany araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...