Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Mahatsiaro ho voafitaky ny mpitondra ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga hoy ny filoha nasiônaliny Hajo Andrianainarivelo. Tsy marina ny filazana fa seza no manosika azy ireo nisitaka tao amin'ny fitondrana... ♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPs Tsaboto Joslina. Efa nody any an-tokantranony izy... ♦ Misy manodikodina ny fanampiana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy hoy ny TIIMG... ♦ Nifarana omaly ny iraka notanterahan'ny miaramila israeliana, any Cis Jordanie. Hetsika ara-tafika nandritra ny roa andro nahafaty olona 12 isa,iadiana amin'ny mpampihorohoro araka ny nambaran'ny mpitondra any Israël...

Isika olombelona dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Izany hoe: manohy ny asa fahariana, hanome aina sy hikolokolo an’izay nohariny. Fahefana sy tso-drano nomen’Andriamanitra antsika olombelona io, hampirindra sy hampilamina ny misy manontolo. Izany hoe: tsy hanova na hanakorotana izay nataon’Andriamanitra. Matoa tsizarizary ny fiainantsika dia satria simba ilay tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

6 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...