• Mbola mitana ny sain'ny maro ny resaka Fikaonan-doham-pirenena izay vao nosokafana tamin'ny fomba ofisialy... • Nanao fihetsiketsehana tetsy Mandrosoa androany, ireo mpiasan'ny Vondron'orinasa SODIAT, izay an'i Mamy Ravatomanga. Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny volan'ny orinasa izy ireo, handoavana karama... • Hitarina ireo hahazo tombon-tsoa amin'ny tetik'asa Mionjo, ampiharina any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Nisy androany, ny atrik'asa hanatsarana ity tetik'asa ity ho an'ny taona 2026...

♦ Nangataka ny hevitry ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) manoloana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Loholona ny 19 janoary 2026 ny filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nandefa taratasy any amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mangataka ny hanokafana fanadihadiana parlemantera momba ny orinasa JIRAMA ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo... ♦ Nanao sakan-dalana, nandoro kodiarana sy nilanja sora-baventy tetsy Mandrosoa-Ivato ny marina teo ireo mpiasan'ny vondron'ny orinasa SODIAT izay nalefa fiatoana ara-teknika... ♦ Nanao fitsidihana tany Mozambique ny kardinaly Pietro Parolin...

♦ Tsy dinika mitovy tamin'ireo efa nisy teo aloha ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanavaozana an'i Madagasikara amin'izao hoy ny Minisim-panjakàna misahana ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Mety ho fandrika ho an'ny filohan'ny fanavaozana Kôlônely Michaël Randrianirina ny ao ambadiky ny fikaonan-doham-pirenena izay tsy mangarahara ny fanatanterahana azy hoy ny "collectif du mouvement"... ♦ Hosokafana amin'ny 20 desambra izao ny fanamarihana ny faha-125 taona nidiran'ny taranja baolina lavalava teto Madagasikara... ♦ Manameloka ny fampihorohoroana ataon'ny fanjakàna tarihn'ny filoha Nicolas Maduro ny lehiben'ny mpanohitra Maria Corina M...

Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Eglizy dia ny Fanahy Masina no "mampitao sy mitari-dalana azy amin'ny alalan'ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana". Koa ny Eglizy, voavatsy amin'ny fanomezan'ny mpanorina azy sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pitiavana amin'ny fanetren-tena... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...