♦ Nomontsanin'i Centrafrique, ny Barean'i Madagasikara androany tolakandro. Resin'ny Fauves Centrafricaines tamin'ny isa 3-0, ny ekipantsika nandritra andro faha-3 amin'ny fifanintsanana CAN 2023... ♦ Nanao fanambarana teny Ambohimanambola androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra, namaly ilay fanapahana navoakan'ny HCC, momba ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Milaza ho tsy matoky intsony ity Andrim-panjakana ity izy ireo, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana... ♦ Olona telo sahady no voasambotra, noho ny hosoka nataon'izy ireo fa mahavita Passeport, tao aorian'ny fiverenan'ny fanavaozana Passeport eo anivon'ny Polisim-pirenena omaly...
♦ Hanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin'izao ankatoky ny fifidianana izao ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Hifarana anio ny fe-potoam-piasan'ny Filankveitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakana Tan-dalana. Noraisin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana manamarina izany. Tsy anio, fa mbola amin'ny septambra vao tapitra ny fe-potoam-kiasan'ny HCDDED, hoy ny Filohany... ♦ Ankalazaina androany, ny Andro Eran-tany ho an'ny Toetry ny andro. Amin'ny alalan'ny fambolen-kazo no anehoan'ny Minisitera tompon'andraikitra sy ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro izany...
♦ Baolina kitra, fifanintsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2023, hihaona amin'i Centrafrique eny amin'ny Kianjan'ny Barea anio tolakandro, ny Barean'i Madagasikara... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao amin'ny mpiara-dia aminy, eny amin'ny Boriboritany fahenina Antananarivo Renivohitra, ny sabotsy izao ny antoko TIM tarihan'ny Filohany Marc Ravalomanana... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny herinandro ahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 marsa 1947...
Ny Eglizy katôlika dia isan'ireo manao ny ezaka sy mandrisika ny mpitondra sy ny tompon'andraikitra isan-kajiny mba afahan'ny maneho hevitra. Ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia isan'ireo singa hampandrosoana ny firenena. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco