Alatsinainy 20 marsa 2023 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)
Ny zava-misy iainantsika ankehitriny dia mbola ao anatin’ny tontolon’ny Konsily Vatikana II, ka mila mivelatra sy misokatra amin’ny hafa isika, ary mila mihevitra sy mandinika lalina ny tena fiainantsika. Amin’ny maha Konsily pastoraly azy, dia asainy miverina mitodika sy mandray ireo Lovantsofina isakarazany isika, fa tsy tokony hionona amin’ireo zavatra voasoratra fotsiny ihany. Any ka nitondra fiovàna be teo amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fomba fandinihana ny tantara ny ezaka nataon’ireo mpikaroka eran’izao tontolo izao, taorian’ity Konsily Vatikana II ity.
Manana adidy ao amin’ny fiaraha-monina ny Eglizy. Tsy antoko politika fa finoana ny Eglizy. Betsaka ny nolovain’ny Eglizy tamin'ny tantaram-piaraha-monina sehatra iray ao amin’izao tontolo izao ny Eglizy. Ny fisian ireo tsy mino an’Andriamanitra no mahatonga ny Eglizy hijoro ho lalivay, mba ho vala tokana ny Eglizy, mba hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny... Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alahady 19 marsa 2023 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1-41)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco