23 febroary — I Polycarpe dia eveka tao Smyrne nandritra ny taona maro ary maty martiry. Niaina teo anelanelan'ny taona 80 hatramin'ny taona 167 izy. Ny tantarany no tranainy indrindra aorian'ny tantaran'i Masindahy Étienne raha ireo martiry no resahana ary ny fety fahatsiarovana azy no vaninandro nankalazaina voalohany fahiny.

Ilaina ny mivavaka ka mivavaha lalandava, mivavaha am-paharetana. Hoy ny Papa François hoe  : aza maka fomba ratsy toy ny hoe tsy mivavaka raha tsy misy zava-dehibe hatrehina. Ny toe-tsaina tokony hanana rehefa mivavaka dia mitalaho, mangataka, midinika, mamerimberina, manam-paharetana, tsy kivy ary manantena lalandava. Rehefa mivavaka dia ataovy tsotra... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

23 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Alahady faha-7 mandavantaona — D : Soavy ireo tsy tia antsika ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao. Ny tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity dia samy mampianatra ny soa hatao amin'ireo tsy tia, fitiavana ny fahavalo, fitiava-namana, famindram-po, ny fanaovantsoa... Ny olombelona dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ny famindram-pon'Andriamanitra no mankahery antsika ary io no nahatonga antsika ho zanany. Toetra mampiavaka ny kristianina ny tsy famaliana ratsy ny hafa, fa kosa mba hivavaka sy hanao soa ny fahavalo...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...