22 febroary 2025 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

• Nampiditra 327 miliara Ariary ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, tamin'ny taona 2022... • Nanolotra vola mitentina 8 tapitrisa Dolara, hanamboarana ny ampahany amin'ny Lalam-pirenena faha-13, ny orinasa QMM... • Lanonana roa sosona no notanterahana teny amin'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona androany, namaranana ny faha-50 taona nijoroan'ny sekoly...

• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy ny fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Io no lohahevitra ifanentanan'ny olon-dehibe amin'ny Andron'ny Olon-dehibe Katolika, hotanterahana any Morondava amin'ny volana aogositra 2025... • Misy fihatsarana ny fahasalaman'ny Ray masina, araka ny nambaran'ny sampana fampahalalam-baovaon'ny Fiketrahana Masina, tamin'ny maraina teo...

Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...