♦ Zava-dehibe ny fanomezan-kasina ny Hiram-pirenena sy ny Sainam-pirenena, hoy ireo tompon'andraikitra nanaovana fanadihadiana... ♦ Fotoana hanomezana tso-drano ireo Minisitra tsy nahatratra ny vina napetraky ny Filoha izao, hoy ny fikambanana FITAMA... ♦ Miverimberina indray ny fahatapahan'ny herinaratra, efa ho herinandro izao, any Manakara...
Antsoina isika rehetra hampiseho fangorahana sy halemem-panahy amin’ny marary. Ao anatin’ny traikefan’ny faharefoana sy ny aretina indrindra no ahafahantsika mianatra miara-dia araka ny fomban’Andriamanitra mangoraka sy malemy fanahy.Ilay samaritanina tsara fanahy no ohatra ho antsika amin’ny asa fanompoana tokony hatao: Fihaonana mivantana amin’ny marary, fitsaboana, tranombahiny, ny tompon’ny tranom-bahiny, ny vola, ny fanomezan-toky fa mbola hanome vaovao mikasika ilay marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Zoma 17 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco