♦ Antsoin'Andriamanitra hamonjy ny olombelona avokoa isika rehetra tsy misy ankanavaka hoy ny Arsevek'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny fankalazana ny andron'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny sabotsy 23 aogositra 2025 teo... ♦ Niampy roa indray pretra salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara. Notanterahina tao amin'ny Ekar Notre Dame de l'Assomption, Betafo, Diôsezin'Antsirabe ny fanamasinana azy ireo omaly 24 aogositra... ♦ Raharaha Boeing 777 : Nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voapanga 22 niatrika ny fampanohavana ny faran'ny herinandro teo, miandry ny HCJ kosa ny fahafahana manenjika ny Ministry ny fitanterana teo aloha...

Izay vao tena nifarana ny taom-pianarana 2024-2025 tao aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea. Rehefa avy niaina tebiteby, tahotra sy fitaintainana ireo tanora Malagasy dia afaka mitony sy maka bahana amin’izay, amin’ny fijerena sy ny fibanjinana ny ho avy. Tsy hihanona amin’ny fibitabitahana fotsiny hoe “Bacc en poche”. Fa aorian’ny fanadinana Bakalorea ohatran’izao mantsy no mamaritra ny ho avy arak’asan’ny tanora iray sy ny fiainana rehetra any aoriana.

Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...